Dernières nouvelles

Tantara, kolontsaina, vakoka: entanina hahafantatra an’Analamanga ny lehibe

CIRCUIT

Manomana tetikasa hoenti-mampahafantatra bebe kokoa ny faritra Analamanga, ny tantara, ny kolontsaina ary ireo vakoka marobe ao aminy ny Ofisim-paritry ny fizahantany (Ortana), mandritra ity fotoam-pialan-tsasatra. Tsy ny ankizy sy ny tanora indray no kendrena amin’izany fa ny olon-dehibe mihitsy. Mandritra io volana aogositra sy septambra io àry, hisy ny fitsidihana maimaimpoana ireo toerana mampiavaka […] Powered by Madagascar Actualitéa Lire la suite »

Fanapahan-kevitra hafahafa: teny malagasy, hoenti-mampianatra hatreo amin’ny ambaratonga fototra

TENY

Nisy nihaino ihany ireo hevitra natsipy tetsy sy teroa ! Aoka mba ho amin’ny teny malagasy ny teny hoenti-mampianatra ny zaza malagasy. Nivoaka tamina fampahalalam-baovao maro fa hatreo amin’ny taona faha-9 no hanatanterahana izany. Fanapahan-kevitra nanaitra sy nahagaga ary nahatalanjona… Nibosesika indray ny fanontaniana ! Nanomboka tamin’ny nahitana fa tsy nahomby ny fampiharana ny « fanagasiana sadasada » teo […] Powered by Madagascar Actualitéa Lire la suite »

Notoloran’ny faritra moto ny zandary

Faritra

Nahazo moto miisa fito avy amin’ny faritra Analamanga ny fari-piadidian’ny zandary Antananarivo. Natokana ho an’ireo distrika manodidina an’Antananarivo izany… « Tafiditra amin’ny fanatsarana ny fiahiana ny loza eny an-dalana sy ny fametrahana fandriampahalemana izao fanomezana izao. Tetikasan’ny faritra taona 2016, ny fampitaovana moto ary mbola hiampy avo roa heny izany ho an’ny taona 2017 mba hampihenana […] Powered by Madagascar Actualitéa Lire la suite »

Fanomezam-boninahitra: tsy voahaja ny fisaonana ho an’i Régis Gizavo…

Regis

Mitohy ny tandrametaka sy ny kitoatoan’ny fitondrana. Maro ireo birao na tranom-panjakana ahitana ny sainam-pirenena, tsy nanaraka ny fisaonam-pirenena nambaran’ny fanjakana fa tokony hatao, omaly noho ny fahalasanan’ilay mpanakanto andrarezina, Régis Gizavo. Anisan’ny tsy nampidina ny saina teo amin’ny antsasany ny etsy amin’ny tobin’ny zandary Ankadilalana, ny minisiteran’ny Varotra, ny minisitera sasany etsy Anosy. Tahaka […] Powered by Madagascar Actualitéa Lire la suite »

Andrianainarivelo Hajo: « Mahantra noho ny fitiavan-tenan’ny mpitondra ny firenena »

Hajo-1

Naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo. Anisan’ny nambarany ny momba ireny fotodrafitrasa samihafa ireny sy ny fahantran’ny vahoaka… “Latsaka anaty lavaky ny fahantrana lalina ny firenena noho ny fitiavan-tena, ny fitiavan-kely, ny tsy fahalalana onona amin’ny fitadiavana tombontsoa manokana, ary ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra nanomboka tamin’ny taona […] Powered by Madagascar Actualitéa Lire la suite »

Manameloka ny herisetra ny minisitera : nisy namono ny infirmier ao amin’ny CHU Tanambao

profil

Maromaro ireo mpiasan’ny fahasalamana niharan’ny herisetra niafara amin’ny fahafatesana. Tranga farany ny famonoana ny infirmier Razafintsalama Jean Marie, mpiasa ao amin’ny CHU Tanambao, ny alatsinainy lasa teo. Nisy koa ireo mpiasa naratra na maty mihitsy tany Betroka, Midongy Atsimo, Beroroha, Maintirano. Manoloana izany, manambara ny minisiteran’ny Fahasalamana fa manameloka ireny fihetsika atao amin’ny mpiasan’ny fahasalamana […] Powered by Madagascar Actualitéa Lire la suite »

Fampianarana ambony: nahazo ny certificat EDAF ny Iscam

ISCAM-1

Taorian’ny fanarahan’ny sekoly ambony momba ny varotra sy ny fitantanana Iscam fandaharanasa ahitana tantsoroka ho an’ny ivontoeram-pampianarana EDAF, nahazo ny certificat EDAF manamarina izany ny tomponandraikitra, omaly teny Ankadifotsy. Natokana ho an’ny sekoly ambony momba ny varotra sy ny fandraharahana ny tohana ka noho ny fanarahan’ny Iscam ny fepetra rehetra takina amin’izany, nomen’ny European Foundation […] Powered by Madagascar Actualitéa Lire la suite »

Hifarana amin’ny fanatanjahantena ambava: hanomboka ny alatsinainy ny fitsarana ny bakalorea

bakalorea280717

Hifarana, anio, ny fanadinana bakalorea amin’ny taranja adina am-bava amin’ny taranja fanatanjahantena ho an’ireo tsy nanatrika ny « pratique » noho ny antony manokana. Navondrona eny amin’ny foibem-panadinana lycée Ampefiloha avokoa ireo mpiadina 1 800 eo ho eo hanatanteraka izany. Omaly, ho an’ny tapak’andro maraina, nanao ny taranja français ny mpiadina ary mbola niverina ny hariva ny sokajy […] Powered by Madagascar Actualitéa Lire la suite »

AVG: niakatra fitsarana ny mpandrindra teo aloha

avg

Niakatra fitsarana ny talata 25 jolay teo, ny mpandrindra nasionaly teo aloha ny fikambanana Alliance voahary gasy (AVG), Ralamboson Andriamanga Andry. Raharaha iray amin’ireo efatra iampangana azy io hatrehiny io, noho ny fanararaotam-pitokisana sy fanodikodinam-bola tao amin’ny AVG. Efa voatazona tany am-ponja, nanomboka ny 20 febroary teo ny tenany, ary izao vao hiatrika ny fitsarana. […] Powered by Madagascar Actualitéa Lire la suite »

Fitantanam-bola sy tetibola: “Hotohizana ireo fanavaozana maro”, hoy ny minisitra

Min.-Vonintsalama-28-jolay

Noraisin’ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny tetibola, omaly, ny minisitra vaovao, ramatoa Andriambololona Vonintsalama Sehenosoa. Am-pihavanana izany fihaonana izany, satria tsy hafa ramatoa minisitra fa zanaka an-trano ihany, efa nisahana andraikitra maro tao amin’io minisitera io nandritra ny taona maro. Niompana manokana amin’ny fanentanana ireo mpiara-miasa ny lahateny nataon’ny minisitra, hanohizana ny asa sy ao […] Powered by Madagascar Actualitéa Lire la suite »